1 septambra, andro maneran-tany ivavahana ho an’ny Voaary
Atokana ivavahana ho an’ny Voaary ny 1 septambra manomboka amin’ity taona 2015 ity hoy ny Ray masina Fransoa.
Marihina fa efa ela ireo havantsika ortôdôksa no nisafidy io daty io mba hitondrana am-bavaka manokana ny fitsimbinana ny Voaary.
Ny andro maneran-tany ivavahana ho fitsimbinana ny Voaary dia fotoana iray :
- ahafahantsika manavao ny fanekena ilay antso ho mpiaro ny zava-boaary ;
- isaorana an’Andriamanitra noho ity zava-bita mahatalanjona nankininy amintsika ity ;
- angatahana ny fanampiany ho fiarovana ny asan-tanany ary
- italahoana ny indrafony noho ireo fahotana ataontsika amin’ny tontolo iainantsika.
Fanamby goavana miandry ny kristianina rehetra ny faharavan’ny tontolo iainana ankehitriny. Iatrehana izany dia “tokony iarihary amin’ny fifandraisantsika amin’ny tontolo manodidina antsika ny vokatry ny fihaonantsika amin’i Jesoa” hoy ny Papa Fransoa.
Raha mila fanazavana, tsidiho ny tranon-kalan’ny Radio Vatican.