LOHATAONAN’NY FAHARIANA 2020 : Mandray anjara mavitrika isika !

Ny 01 Septambra ka hatramin’ny 04 Oktobra 2020 dia manasa antsika ny Papa Fransoa hiaina vanim-potoana iray atao hoe « SAISON DE LA CREATION » LOHATAONAN’NY FAHARIANA.

Kristianina aman-tapitrisany no efa mankalaza io iray volana io isan-taona , koa ankehitriny dia manasa antsika ny Papa Ray Masina handray anjara amin’izany fankalazana izany, hanohina ny antsony ka hanao hetsika araka izay sahaza antsika.

Ny Vovonam-pirenena katolikan’ny tanora, ny fikambanana MAHATSANGY ary miaraka amin’ireo mpiara-miasa dia manentana ny tanora sy ny olon-drehatra hanao hetsika mifanaraka amin’izany fankalazana izany.

Ireto ny hetsika hanasana antsika :

Vavaka

>>> Lohataonan’ny fahariana – 2020

Sorona Masina

>>> Nanolotra vakiteny sy lohahevitra maro ny Papa Fransoa

Famelabelaran-kevitra

>>> Efa nanomboka ny zoma 04 septambra ny fifampizaràna ao am Zoom

Fifaninanana ara-kolontsaina

>>> Hira, tononkalo na dihy mikasika ny tontolo iainana

Fampirantiana 2.0

>>> Ifampizarao am hafa ny tetikasanao

Jereo ato amin’ity tahirinkevitra ity ny antsipiriany !

LOHATAONAN’NY FAHARIANA 2020 – Vavaka iombonana amin’ny Papa François

Ry Ray Mpahary ny aina ô,

Noho ny Teninao, dia rako-java-maniry mamokatra izay misy voa afafy sy hazo fihinam-boa isan-karazany ny Tany. Nomenao hamelona ny aina ny renirano, ny havoana, ny harena an-kibon’ny tany, ny ranomasina sy ny ala. Miandrandra Anao ny manan’aina rehetra, manantena ny fitsimbinanao hanome izay ilainy isan’andro. Namelona ny aina hatrany ny Tany. Satria nosokafanao ny tànanao mba hanome sakafo ara-potoana ny zava-boahary, mitety ny andro sy ny vanim-potoana mifandimby omban’ny fihavaozana sy ny fivoaran’ny arin-tànanao.

Nomenao andro hitsaharana izahay, noho ny fahendrenao tsy hay lazaina. Fotoana notsofinao rano mba hialanay sasatra sy hankasitrahanay ny soa rehetra natolotrao, fotoana hahafahanay miala amin’ny gejan’ny fanjifàna tsy mahay mionona, fotoana hahafahan’ny tany sy ny voahary rehetra miala amin’ny vesatry ny asa famokarana tafahoatra mandreraka azy. Ankehitriny anefa, indrisy fa mampitondra faisana ny tany, hizaka ny tsy eran’ny ainy, ny fomba fiainanay. Manimba ny tontolo iainanay ny tsy fiononana hanaiky ny rindram-pivelaran’ny zava-boahary sy ny famokarana ombam-panjifàna mihoa-pampana. Ripaka ny ala, mihamanify ny sosona ôzônina eny amin’ny habakabaka, mihasimba ny tany volena, zary efitra, voapoizina ny ranomasina, mihamahery ny rivo-doza. Tsy nomenay andro hitsaharany ny tany, hany ka mitroatra mba hihavaozany, hakany aina vao.

Amin’izao “Lohataonan’nyFahariana” izao, ry Ray Mpahary, mitalaho aminao izahay, herezo hanaja ny andro fitsaharana mba hahasoa ny tany nomenao anay. Amafiso ny finoana sy ny fitokianay ny fitsimbinanao. Ampio izahay mba hahay hifampizara ny soa noraisinay avy aminao. Ampianaro hahalala onona. Ary mankalaza ny jobily ho an’ny tany izahay izao, ka mba iraho ny Fanahinao Masina hanavao ny endriky ny zava-boahary.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ilay tonga hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny voahary tontolo, no angatahanay izany.
Amen.

Dikateny : 
Mgr. Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – septambra 2020

Mba tsy horobaina ny harena voajanahary ary hozaraina am-pahamarinana sy am-panajana.

Taona vitsivitsy lasa izay no nanoratan’ny Papa Fransoa ilay ansiklika malaza mitondra ny Lohateny hoe : « Laudato Si », anentanany indrindra ny olona rehetra tsy ankanavaka amin’ny fiarovana ny Tranobe iombonana, izay tsy inona akory fa ity tany be nametrahan’Andriamanitra antsika ity. Ankoatra ny fahalotoan’ny tontolo manodidina sy ny rivotra iainana mantsy dia betsaka tokoa ny famotehana na ny fandringanana tsy am-piheverana na tsy amin’antony ny harena voajanahary nomen’ilay nahary.

Tsy mitsahatra hatrany ny Papa amin’ny lahateny sy ny fampianarana ataony manentana sy manohina ny olona amin’ny fikajiana sy ny fitandrovana ny Tranobe iombonana sy izay rehetra misy eo aminy. Raha tsy hijery, ohatra isika, afatsy ny hafatra sy ny fampianarana nataony ho an’ny vahoaka Malagasy tamin’ny famangiany teto Madagasikara herintaona lasa izay : Nahatalanjona ny Papa Fransoa ny hatsaràny sy ny harena voajanahary misy eto amintsika, ka nolazainy fa manome lanja an’ilay “fanahy maha-malagasy”, hoy indrindra izy tamin’izany  « Ity Nosin’i Madagasikara tsara tarehy ity dia manankarena amin’ny zava-manan’aina maro karazana, ny zava-maniry sy ny biby, ary izany harena izany anefa dia tandindomin-doza vokatry ny faharavan’ny ala efa tafahoatra noho ny tombon-tsoan’ny olom-bitsy… Ireo zava-manan’aina maro karazana na ny zava-maniry na ny biby dia tandindomin-doza noho ny fanaovana asa antsokosoko sy ny fanondranana any ivelany tsy ara-dalàna ». (Lahateny tamin’ireo mpitondra fanjakana sy socitété civile, mbamin’ny masoivoho teny Iavoloha).

Inona anefa no zava-misy hita taratra ankehitriny? Tsy ny eto amin’ny Nosintsika ihany fa saika maneran-tany mihitsy. Toa tsy raharahaina mihitsy ny fifandraisana amin’ny zavaboaary. Miharihary ny fandrobana tsy am-piheverana ny harena voajanahary na ambonin’ny tany na an-kibon’ny tany… Tsy fizakana intsony no atao fa fanjakazakana. Eo anivona tontolo feno hakiviana izao tontolo izao. Mijaly noho ny hetraketrak’ireo matanjaka ny madinika sy ny marefo, angalarina ireo harena voajanahary, miteraka alahelo sy fitokana-monina izany.

Ary dia mbola ny Papa Fransoa ihany no manome vahaolana ho antsika ny amin’izany : « Noho izany dia zava-dehibe tokoa ny mamorona asa sy fihariana ahazoam-bola izay manaja ny tontolo iainana sy manampy ny olona hiala amin’ny fahantrana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, tsy hisy ny tena fijery ekolôjika marina na asa mivaingana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana raha tsy ampidirina ao ny rariny sy hitsiny ara-tsosialy izay manome ny zo amin’ny fampiasàna iombonana ny haren’ny tany amin’ny taranaka ankehitriny sy amin’ireo taranaka any aoriana ».

Ny Katesizn’ny Fiangonana Katolika, ao amiin’ny laharana faha 2402, izay mandray ny voalazan’ny Konsily Vatikana II, ao amin’ny Foto-pampianarana momba ny Fiangonana manoloana ny Andro Ankehitriny, dia maneho mazava amin’ny fampianarana ataony mahakasika indrindra « Ny anjara voatokana ho an’ny daholobe momba ny fananana sy ny anjara fananana ho an’ny tena manokana », manao hoe : « Efa hatrany am-piandohana Andriamanitra no nanankina ny tany sy ireo harena manontolo ao aminy amin’ny fitantanana iombonan’ny olombelona, mba hokarakarainy, hanjakany amin’ny alalan’ny asany ary hifaliany amin’ny vokatra avy aminy. Natao ho an’ny taranak’olombelona rehetra ny soa aman-karena amin’ny zavaboary. Nozarazaraina ho an’ny olombelona anefa ny tany mba hiantohana ny fiadanam-piainan’izy ireo, iatrehana ny tsy fisiana sy ny fanaovana herisetra. Ara-dalàna ny fakana fananana ho an’ny tena mba hiarovana ny fahafahana sy ny fahamendrehan’ny olona, mba hanampiana ny tsirairay hisahana an’izay tena ilainy indrindra sy amin’ny ilain’ireo izay ananany adidy… Ny anjara voatokana ho an’ny daholobe momba ny fananana, dia mijanona ho fototra, na dia takìn’ny fampandrosoana ny soa iombonana aza ny fanajana ny fananana manokana sy ny zony ary ny fampiasana azy.»

Araka izany àry, dia mazava ny fanentanan’ny Papa antsika mandritra izao volana septambra izao, ny amin’ny fanajana ny harena voajanahary sy ny fitsinjarana azy am-pahamarinana sy ara-drariny.

AFAFI – FET : ndao hivory isaky ny alahady tolakandro ao amin’ny FB !

TSATILAKRI !

Iarahantsika mahalala ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Isan’ireo hetsika tsy azo natao intsony ny fivoriana mamintsika AFAFI-FET noho ny COVID 19.

Soa fa teo ny fitaovam-pifandraisana vaovao ahafahantsika miombom-bavaka. Nitombo ny SMS sy ny antso ary mafana ny fifampizaràna ao am FB.

Ho fanamafisana ny fiombonantsika dia nanokatra pejy vaovao ny Foibe nasiônaly : AFAFI FET Madagasikara – AP MEJ Madagascar

Ankoatry ny vaovao sy ny fanentanana maro isan-karazany dia fanamby napetraka ihany koa ny fivoriana isaky ny alahady tolankandro. Nosantarina ny 2 aogositra teo izany.

>>> Fivoriana AFAFI- FET 02 aogositra

Amin’ny alahady 09 aogositra indray ny fotoana manaraka !

Antsika rehetra io pejy io, isaorana mialoha ny fizaràna sy ny hevitra entina manatsara azy.

AFITEMA

Vavaka hasiviam-bolana : Fiomanam-panahy mandritra ny volana Aogositra 2020

  • Hira fanombohana : raha misy fivoriana
  • Vavaka Fanolorana ny andro : « Mba ho an’ireo rehetra miasa sy mivelona amin’ny ranomasina, anisan’izany ny tantsambo, ny mpanjono sy ny fianakaviany ».
  • Vavaka torapo, araka izay anentanan’ny Fanahy
  • Famakiana sy fandinihana  ny Lohahevitry ny volana diavina (Aogositra)
  • Vavaky ny Taon-jobily + Rainay, Arahaba ry Maria, Voninahitra, fiantsoana an’ireo Olomasina Mpiaro sy ny Fo Masin’i Jesoa. (Izay tsy manana ny vavaky ny Taon-jobily dia hanao Toko Sapile).

>>>>> Ndao hiaraka-hivavaka

Lohahevitra volana Aogositra (Dingana faha sivy amin’ny Lalan’ny Fo) :

Tambajòtram-pivavahana maneran-tany sy tambajotram-panompoana mitsinjo ny filàn’ny taranak’olombelona

Ny Aina ny Fivavahana dia Tambajotram-pivavahana maneran-tany andraisana an-tànana ireo fanamby atrehin’ny taranak’olombelona sy ny asa anirahana ny Eglizy. Hitantsika ao amin’ireo fangatahana isam-bolana ampanaovin’ny Papa ireo fanamby ireo, fangatahana maneho ny fiahiany an’izao tontolo izao sy ny Eglizy ankehitriny, ka tokony hitari-dàlana ny fivavahantsika sy ny asa ataontsika mandritra ilay volana voatondro.

Ity Tambajotra ity dia ikambanan’ireo izay vonona hiara-miasa amin’ny fanatontosana ny asa nanirahana an’i Kristy Nitsangan-ko velona, eo anivon’ny toe-javatra iainany sy ny seha-piainany avy. Ny antso ho amin’ny fanatontosana ny Iraka, no afo mahatonga antsika ho Apôstôly, nirahina avy ao am-pon’ny Ray mba ho tonga ao amin’ny fon’izao tontolo izao. «Nony afaka izany dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany» (Lk 10,1). Ny fandraisantsika anjara amin’io Tambajotram-Pivavahan’ny Papa Maneran-tany io no mahatonga antsika ho Iraka sy Vavolombelona ary Endrik’i Kristy eo amin’ny fiainantsika manontolo mihitsy. Iraka hitondra ny Teniny eo amin’izao tontolo izao. « Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko ahy no anirahako anareo koa». (Jo 20,21)

Asaina ho ao amin’io Tambajotra io, voalohany indrindra, ny katôlika rehetra avy amin’ny firenena sy kolontsaina samihafa, avy amina fianakaviana sy fikambanana masina samihafa. Miasa ho fitandroana ny firaisan’ny Eglizy ao amin’ny hareny sy ny mampiavaka azy ny Tambajotram-Pivavahan’ny Papa Maneran-tany. « Ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly ara-panahy, ho mpisorona masina ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’ Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy». (1Pi 2,5)

Asaina handray anjara ao amin’io Tambajotra io ihany koa, araka ny fombany manokana, ny hafa : ireo fanamby voatanisa ao amin’ny Fangatahana ampanaovin’ny Papa dia mitarika antsika hiara-miasa amin’ireo kristianina hafa sy amin’ireo olona fatra-pikatsaka fiadanana sy firahalahiana eo anivon’izao tontolo izao.

>>>>> Ndao hiaraka-hivavaka

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – aogositra 2020

Ho an’ireo rehetra miasa sy mivelona amin’ny ranomasina, anisan’izany ny tantsambo, ny mpanjono sy ny fianakaviany

Toy ny fanaony isan-taona, dia manoratra hafatra ho an’ireo mpino katolika miasa amin’ny sambo sy mivelona amin’ny ranomasina ny Papa Fransoa, mba ho fankaherezana sy ho fanampiana azy ireo ara-torohevitra. Tsy vitsy tamin’ireo tantsambo sy mpiantsehatra amin’ny ranomasina tokoa mantsy no voatery nandao ny asany noho ny fihanaky ny valan’aretina corona virus. Teo anatrehan’izany dia nankahery sy nisaotra azy ireny tamin’ny alalan’ny fahitalavitra ny Papa Fransoa..

Nambaran’ny Papa Fransoa àry fa fantany tsara ny fahasarotan’ny asan’izy ireo, indrindra tato anatin’ny volana vitsivitsy izay, noho ny krizy ara-pahasalamana, eo koa ny loza aterak’ity asa ity ary ny fiaretana ny sedra isankarazany mandritra ny fanatanterahana ny asa. Nisaotra sy nankahery ny azy ireo ny Papa noho ny fizakan’izy ireo ity « enta-mavesatra » ity mba hanohizana ny famatsiana entana ilain’ny vahoaka sahirana.

Hoy indrindra ny Papa tamin’ny hafatra nataony ho an’ireo tantsambo sy ireo rehetra mivelona amin’ny ranomasina ; « Ny asanareo any an-dranomasina, hoy izy, dia mazàna mampanalavitra anareo amin’ny hafa, fa ianareo kosa dia manakaiky ahy amin’ny eritreritro sy ny vavaka ataoko ». « Ny Evanjely mihitsy no mampahatsiahy antsika [io fifanakekezana io] raha milaza amintsika ny momba an’i Jesoa sy ireo mpianany voalohany, izay mpanarato », hoy hatrany izy nanamarika. Ny Papa amin’ny maha Filohan’ny Eglizy katôlika azy, dia nankahery sy namporisika ny tantsambo  sy ireo rehetra miara-miasa amin’izy ireo, amin’ny sehatra pastoraly, ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ireo mpiasa an-dranomasina.

Ny mpanjono matihanina dia tsy tokony ho diso fanantenana manoloana ny tsy fahombiazana atrehin’izy ireo, hoy ny Papa teo anatrehan’ny solontenan’izy ireo..

Ireo mivelona amin’ny ranomasina amin’ny alalan’ny jono, ny sambo mpanamboatra sy mpitantitra ary mpanondrana entana, ireo amin’ny sehatry ny fizahan-tany, ny tafika, dia maneho ny zava-misy sy ny anjara toeran’ny hasarobidin’ny asa an-dranomasina. Koa ny kendren’ny fangatahana ampanaovin’ny Papa antsika vita Batemy sy tsara sitrapo àry amin’ity volana ity dia ny hitondrantsika  am-bavaka  ireo tantsambo ireo, ny mpanarato ary koa ny fianakaviany.

Araka ny fandinihana ataon’ny mpamakafaka mantsy dia ny 90% n’ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany dia ny fitaterana an-dranomasina no misahana azy. Misy fitenenana manao hoe : ny ranomasina no mampanonofinofy, fa ny fiainan’ny tantsambo kosa dia mafy. Tsy mafy ho azy ireo ihany anefa, fa mafy hoan’ny fianakaviany ihany koa, indrindra eo am-piandrasana ny fiverenan’ny havan-tiany. Eo anatrehan’ izao coronavirus izao, mihasarotra sy miharatsy hatrany ny toerana misy azy ireo.  Nitodika tamin’izy ireo ny Papa, tamin’ny 17 Jona lasa teo, naneho ny fangorahany sy nankahery. Manasa sy manentana antsika ihany koa izy hivavaka ho azy ireny, fa asa sy andraikitra lehibe iankinan’ny fiainan’ny zanak’olombelona no iantsorohany.

Feno 50 taona ny CEPAL : fifaninanana hira faneva sy logo

Ao anatin’ ny fankalazana ny jobily faha 50 taonan’ny CEPAL (Commission épiscopale pour  l’apostolat des laïcs)  dia misy fifaninana  hira faneva  sy logo  

Toa izao ny andinindininy :

LOHAHEVITRA : « Ianareo no fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao… koa mitsangana… Mirosoa amin’ny lalina » (Matio 5,13- Lioka 5,4) 

HIRA FANEVA

  • Tsy maintsy ahitana ny lohahevitry ny jobily miaraka amin’ny teny fanevan’ny CEPAL : Finoana –Fiombonana-Firotsahana
  • Ny faharetan’ny hira dia 3mn raha fohy indrindra ary 5mn raha lava indrindra

Hatao anaty valopy mitokana ny tonon-kira sy ny raki-kira (voarakitra anaty CD)  ary anaty valopy hafa ny mahakasika ny mpifaninana.

LOGO

  • Tsy maintsy ahitana ny lohahevitry ny jobily miaraka amin’ny teny fanevan’ny CEPAL : Finoana –Fiombonana-Firotsahana 
  • Ny loko hampiasaina dia : fotsy , mavo , mena , maintso ary mainty 

Hatao amin’ny taratasy A4 

Hatao anaty valopy mitokana ny Logo ary anaty valopy hafa ny mahakasika ny mpifaninana 

FAMETRAHANA NY FIFANINANA

Ny fara fanaterana ny fifaninana dia ny 04 Septambra 2020 

CEPAL – Immeuble CNPC Antanimena  Porte n° 27– Antananarivo 101  

Filan-kevitra

cepalmadagascar@yahoo.fr, +261 34 93 305 09, + 261 33 17 990 15 

Fiangonana miatrika ny fahaleovantena

Niainga tamin’ny fandinihana ny tantara nataon’i Pierre Lupo, momba ny hoe « Eglise et décolonisation à Madagasikara » ity fandinihana ity. Nanana ny toerany ny Fiangonana katolika tamin’izay zavatra niainan’ny firenena. Ka rehefa mankalaza ny faha 60 taona nahazoany fahaleovantena ny firenena, tokony hanontany tena ny Fiangonana hoe « aiza ho aiza izy ? » satria tsy azo sarahana amin’ny tantaram-pirenena ny zava-misy iainany na ny asa sahaniny na ny teny izay toriany. Azo lazaina aza fa nifanindran-dalana tamin’ny toe-draharaham-pirenena ny fiovana samihafa tao anatin’ny fiangonana.

Jery todiky ny tantara

Ny vanim-potoana lavabe teo amin’ny fiainan’ny firenena (1896-1960), izany hoe 64 taona niainana ny fanjanahana dia tsy azo lazaina hoe « fotoana nanjavozavo na teteza-mita » fotsiny ihany. Fiovana lalina no niainan’ny firenena. Azo ambara tsy am-pihambahambana aza fa io no tena namaritra ny ankehitriny rehetra satria ireo fanovana ara-kolontsaina, toy ny fampianarana an-tsekoly, ny lova politika na rafitra izany na fisainana, ny antoko sy ny olany ary ny repoblika sy ny fitantanany dia nampifamatotra ny firenena amin’ny tantaran’i Eoropa moderina sy mpanjanaka.

Ny olan’ny protestanta sy katolika dia lovam-pifandraisan’ny Anglisy sy Frantsay . Ny ifanoheran’ny kolontsaina vahiny sy malagasy dia endriky ny sesitany niainan’ny mpanjaka Ranavalona III, ka mahatonga ny anindrana ho zary fisainana malagasy, izany hoe, antsisiny na anjorom-bala. Ny fanovam-pitantanana nampindrana ny fahefana eo an-tanan’ny eveka malagasy nanomboka ny taona 1939 dia nanokatra varavarana ho amin’ny tolon’ny 1947 na tsy mivantana aza. Nanamafy izany ny fanambaran’ny eveka tamin’ny 1953, fa « ara-drariny ny fanirian’ny Malagasy ny fahaleovantenany ».

Vakio ny tohiny ao amin’ny Lakroan’i Madagasikara

 

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – jolay 2020

Mba ho voatantana am-pitiavana sy am-panajana ary hahazo ny torohevitra ilainy anie ny fianakaviana amin’izao androntsika izao

Nandritra ny taon-jato maro, hatramin’izao androntsika izao, dia tsy nitsahatra namoaka fampianarana mivoatra lalandava sy marin-toerana momba ny fianakaviana ny Fiangonana. Anisan’ny tena manaitra amin’ireny dia izay voatolotry ny Konsily Vatikana faharoa ao amin’ny Foto-pampianaram-pinoan’ny Fiangonana momba ny fitantanana ny Fiangonana (Gaudium et Spes), momba ny tokony hampiroboroboana ny hasin’ny fianakaviana, tonga hatramin’ny famahavahana ny lanjany sy ny vontoatiny ho fampijiroana araka ny tokony ho izy ny fiarahamonina :

Ambaran’ny Konsily mantsy fa « Ny fianakaviana dia ambohim-pihaonan’ny taranaka maro izay mifanampy mba hahazoana fahendrena mivelatra hatrany ary mba handrindrana ny zon’ny olona tsirairay avy, miaraka amin’izay takian’ny fiainana miara-monina, izay mahatonga azy ho fototra iorenan’ny fiarahamonina (GS 52)

Ny fianakaviana no azo lazaina fa loharano sy fototra iorenan ‘ny fanabezana ho olom-pirenena vanona sy ho olo-masin’ny Fiangonana. Ny « Fampanaran’ny Fiangonana momba ny sosialy » sy ny Konsily Vatikana faharoa dia samy manindrahindra ny fahamboniana sy ny hasin’ny fianakaviana. « Fa nasandratr’Andriamanitra ambony ny fianakaviana tamin’ny nahatongavan’Ilay Zanak’Andriamanitra ho olombelona ka nonenany tao amin’ny Fianakaviana Masina… Teraka ary niaina teo anivona fianakaviana hita maso i Jesoa, araka izay endrika rehetra maha fianakaviana ny fianakaviana » (Fampianarana sosialin’ny Fiangonana, fiz.2, toko 5).

Toraka izany ny Papa François, dia nanao lahateny sy hafatra miezinezina ho fiarovana ny fianakaviana : « Ny fianakaviana, hoy izy, no kitro ifaharan’ny maha olona ny olona manobtolo, ary ny olona tsirairay dia manan-jo hanana fianakavianaona mendrika sy sahaza azy. Ny fianakaviana, hoy hatrany ny Papa, no mpandray anjara fototra ao anatin’ny fiarahamonina sy ny kolontsaina mbamin’ny ara-politika. Noho izany, tsy misy mahasolo ny andraikitry ny fianakaviana, na eo amin’ny fiainam-pirenena na eo amin’ny fiainam-piangonana ».

Ankehitriny dia toa mihavery sy mihen-danja ny soatoavina maha fianakaviana ny fianakaviana. Tsapa sy hita izany na amin’ny firenena manan-karena na amin’ny firenena mahantra toa an’i Madagasikara. Izany dia mety ho vokatry ny fanatontoloana sy ny fandrosoana tsy voalanjalanja intsony, na koa noho ny fahantrana diso tafahoatra, ka miantraika any amin’ny fiainam-pianakaviana.

 

 

Mba hanaiky hotohinin’ny Fon’i Jesoa anie ireo mijaly

Indro atolotra antsika ny horonan-tsary nataon’i Papa Fransoa mikasika ny fanolorana ny andro amin’ity volana ity